Zandarimaria: Mandray ny toerany ny Komandy vaovaon'ny Fari-piadidiana Mahajanga

  • lundi, 18 juin 2018 22:05
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Tontosa ny marainan'ity alatsinainy 18 jona 2018 ity ny famindram-pibaikoana teo amin'ny komandin'ny Zandarmaria eto Mahajanga.

Lanonana ara-miaramila roa sosona no notanterahina teny amin'ny bord de la mer, famindrana faneva sy famindrana sabatra fibaikoana.

Ny Kolonely Boto Lucien Maurice, manomboka izao no mibaiko ny fari-piadidian'ny Zandarimaria eto Mahajanga. Izy no mifamadika toerana amin'ny Kolonely Behivoka Fiederch izay voatendry hiasa any Antsiranana.

Lahara-pahamehana ho an'ity CIRGN vaovao voatendry hiasa eto Mahajanga ity ny fanohizana ny fampandriana fahalemana sy ny fiadiana amin'ny asan-dahalo ato anatin'ny faritanin'i Mahajanga.

Ny Jeneraly Andriajanaka, Komandin'ny Zandarimariam-pirenena no nitarika ny lanonana, ary nanome voninahitra izany ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe, sekretera jeneraly miadidy ny Zandarimaria.

Matso lehibe notontosain'ny fianakaviam-ben'ny Zandarimaria avy ao amin'ny fari-piadidiana Mahajanga no namaranana ny lanonana, nampian'ny miaramila avy ato amin'ny Faritany miaramila fahaefatra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.