Sambava: Andian-tanora nifamono, iray maty voatsatok’antsy

  • lundi, 18 juin 2018 21:20

Tanora iray, 27 taona, mpamily taxi-bajaj monina eto Ambodisatrana ity namoy ny ainy ity, nandritra ny sakoroka niseho tamina toeram-pilanonana iray ny alahady 17 jona alina.

Lehilahy iray mpiambina tao no nosamborin’ny Zandary androany vao maraim-be sady ho fiarovana azy rahateo.
Nirohotra teny amin’ny biraon’ny Zandary ireo andian-tanora naman’ny maty rehefa naheno izany, nitaky ny hamoahana io mpiambina nosamborina io hampiharana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky izany anefa ny Zandary.

Rehefa izay, dia nentin-katezerana nirohotra namotika ilay toeram-pilanonana nitrangan’ny fifandonana ka namoizana ain’olona iray ireo andian-tanora ireo. 


 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.