Tananan’Antsirabe: 30 ora tao anaty haizina

  • lundi, 18 juin 2018 20:01
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Niaina tao anaty haizina tanteraka ny tananan’Antsirabe nanomboka ny alahady 17 jona 2018 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ka hatramin’ny harivan’ity alatsinainy 18 jona ity tamin’ny 7ora sy sasany hariva.

Olana ara-teknika, dia ny fahatapahan’ny tariby mitondra herinaratra matanjaka (63.000 Volts) avy any Antananarivo ka mamatsy an’Antsirabe izany no antony. Nambaran’Atoa Raharomisa Volahasina, Tale iraisam-paritry ny Jirama Antsirabe fa an-tongotra no nitadiavana ny fahavoazana ka sahirana ireo mpiasa manaraka ny lalan’ny andrin-jiro.

Ny marainan’ny Alatsinainy no nahitana ny toerana nisy ny fahavoazana izay 5Km niala ny lalam-pirenena faha-7. Mbola nafarana avy tany Antananarivo ny fitaovana hanarenana ny simba ka ny tolakandro vao tonga izany ka am-periny amin’ny famerenana izany ny JIRAMA ireo.

Niezaka nampiasa ny fitaovana fiandry tao Ambalavato ny JIRAMA mba hamatsiana ireo toerana saro-pady toy ny hopitaly sy ny fonja ary nampakarana ny rano avy eny Andraikiba tsy hahatapaka ny famatsiana ny tanànan’Antsirabe.

Niverina tsikelikely nanomboka io hariva io ny jiro teto Antsirabe sy ny manodidina.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.