Oniversiten'i Mahajanga: Nahazo fanalefahan-tsazy ireo mpianatra voasazy

  • dimanche, 17 juin 2018 22:22
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nivoaka ny didy valin'ny Filankevitry ny fitsipi-pifehezana na CODIS andiany fahatelo nahavoaantso ireo mpianatra 21 mianadahy ny 6 jona 2018 teo. Niezaka ny oniversite nanalefaka ny sazy nomena ireo mpianatra voakasika tany am-boalohany mba hisian'ny fitoniana sy hivahan'ny olana izay mitarazoka eny amin'ny oniversite.

18 tamin'ireo mpianatra ireo no nandefa taratasy fifonana nialohan'ny niatrehana ny fiakarana nanoloana ny CODIS.
Ho an'ireo nahazo sazy mampiato fianarana mandritra ny herintaona hatramin'ny roa taona, dia afaka misoratra anarana avy hatrany ary manohy ny fianarana amin'ny enim-bolana faharoa. Mpianatra iray kosa no nandefa taratasy fifonana saingy tsy nanatrika ny filankevitra ka amin'ny taom-pianarana manaraka vao afaka misoratra anarana.

Mahazo trano avokoa ireo mpianatra miisa 1023 nangataka fisitrahana trano nahafeno antotan-taratasy fangatahana. Miala amin'ny trano avokoa araka izany manomboka amin'ity herinandro ity, aorian'ny ivoahan'ny lisitra ireo mpianatra niditra tsy ara-dalana tamin'ny trano. 4 isaky ny efitrano sisa ireo mpianatra raha nahatratra hatramin'ny 12 izany teo aloha.

Hampidirana mpianatra avokoa na ny eny amin'ny Cité Tsaramandroso na ny eny amin'ny Campus Ambondrona. Nezahina nampiarahina kosa ny mpianatra mitovy sampam-pampianarana sy fiaviana fa tsy nasiana resaka fikambanana intsony.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.