Mahajanga: Misantatra ny fetin'ny Foloalindahy

  • vendredi, 15 juin 2018 10:39
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

46 mianadahy no mpandray anjara tamin'ny hazakazaka commando , 8 km namakivaky ny tanànan'i Mahajanga, niainga sy nifarana teny amin'ny bord de la mer ny maraina teo.

Hazakazaka nandraisan'ny solontenan'ny Tafika Malagasy, Zandarimariam-pirenena, ny Polisy nasionaly ary ny mpandraharahan'ny fonja anjara. Amin'ny maha hazakazaka commando azy, tenue de combat izay mampiavaka ny sampana tsirairay no nanaovana.

Tafiditra ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy izao hetsika izao.

Nisongadina ny vokatra ho an'ny mpandray anjaran'ny Tafika Malagasy, satria na ho an'ny sokajy latsaky ny 45 taona, na ny miohatra ny 45 taona dia nitana ny laharana voalohany hatrany Izy ireo.

Nampiavaka ny fifaninanana ihany koa ny mpandray anjara vavy tokana avy amin'ny Zandarimariam-pirenena. Nampiaiky ny rehetra ity farany satria mbola maro ireo lehilahy tonga taoriany.

Tsy hijanona intsony ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena eto Mahajanga satria hanomboka anio hariva ihany koa ny kermesin'ny Foloalindahy izay atao eny Mahajanga Be ary santarina amin'ny diabe miainga eny amin'ny Jardin Cayla.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.