Mahajanga: Ny Mpiambina ihany no nitsikomba tamin’ny halatra moto

  • vendredi, 15 juin 2018 08:50
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Tsy niandry ela fa roa andro taorian'ny nanaovany ny asa ratsiny dia sarona izy telolahy ireto, tompon'antoka tamina halatra moto teny Antanimasaja ny 12 jona lasa teo.

Lehilahy iray no tonga teny amin'ny Commissariat Central nanao fitarainana fa very moto teny amin'ny clinique Fazy. Natao avy hatrany ny fikarohana ka izao tratra izao ireto telo lahy ireto niaraka tamin'ilay moto nangalariny izay efa saika havadika “pièces détachées”.

Ny iray tamin'izy ireo no tena nanatontosa ny halatra, lehilahy efa mpiambina tao amin'ilay toeram-pitsaboana teo aloha ihany, ary mpiray tsikombakomba kosa ny roa hafa, ary mbola karohina ny iray naman'izy ireo.

Natolotra ny fampanoavana omaly maraina 14 jona teo izy telo lahy ireto,ary notazomina am-ponja vonjimaika avy hatrany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.