Kaominina Antananarivo Renivohitra: Hihamafy ny fanampiany ny Hetsiky ny Fanovana

  • jeudi, 14 juin 2018 09:53
  • Sary CUA

Mitohy ny tolona ! Izay no nambaran’ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo (CUA), ny Kolonely Andriambahoaka Faustin tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Hihamafy ny fitakiana etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey, hoy izy ka hanohy sy handray anjara mavitrika amin’izany ny Boriboritany rehetra eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nilaza ity olomboafidy ity fa hamafisina ny: “Andrimason’ny Tanàna” izay hanarahana maso akaiky ny eto Iarivo mba hametrahana fandriampahalemana azo antoka manoloana izao fiainam-pirenena manahirana izao.

Nanisy resaka mikasika ny fifidianana ho avy ihany koa ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanàna, Andriambahoaka Faustin, nanambara ny tenany fa raha ny lisim-pifidianana amin’izao fotoana izao no entina miatrika fifidianana dia tsy hisy raharaha vanona satria betsaka ny lesoka, toy izany koa ny Sefo Fokontany izay tokony ho fidian’ny Fokonolona mivantana izay tsy tokony handaniana fotoana lava ny fanaovana izany, ny CENI koa hoy izy dia mila jerena satria maro ny fanakianana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.