Commune Urbaine Sambava: Ho lafo avokoa ny fananana iombonana eto

  • vendredi, 08 juin 2018 14:10
  • Sary gasypatriote Sambava

Namaky bantsilana ireo zavatra miteraka resabe eto Sambava, taorian’ny filazan’ny Ben’ny Tanànan’i Sambava, Toto François fa ho lasa avokoa ireo fananana iombonana eto an-toerana.

Nitsangana ny Ben’ny Tanàna lefitra Poty Robert ary nilaza fa tsy hanaiky izao gaboraraka izao ataon’ny lehibeny izao. Tsy niandry ela fa natomboka omaly alakamisy 07 jona 2018 avy hatrany ny fandravana ireo trano miisa roa nomena olona ambony iray ao amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana aty SAVA.

Eo ihany koa ny biraon’ny Fokontany Antanifotsy I nomena ny mpanambola, ary ny ampahan’ny lalana miazo ny labatoara izay nomena mpanankarena mba hanorenany trano.

Milaza ny hampakatra ny raharaha any amin’ny Tribunal Administraf any Antsiranana ny Ben’ny Tanàna lefitra mba hahafahana manafoana tanteraka ireto fivarotana fananana iombonana, izay tena mihazakazaka tokoa, nararaotra ny fitokonana nisy teto Madagasikara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.