Akademia miaramila any Etazonia: Tanora malagasy voatsonga telo hianatra any

  • vendredi, 08 juin 2018 13:58

Nampahafantarin’ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana Stuart Wilson sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena malagasy omaly ireo tanora malagasy telo voafantina handrato fianarana amin’ny akademia miaramila any Etazonia.

Stania Charby Mpandresy, 21 taona, dia hiofana ao amin’ny Air Force Academy any Colorado Springs - Colorado.

Santa Andrianaivo, 19 taona, dia hianatra ao amin’ny Coast Guard Academy ao New London – Connecticut.

Ary Faniry William Tahiantsoa Andriamihaja, 20 taona, dia hiofana ao amin’ny Naval Academy ao Annapolis - Maryland.

Dimampolo ny isan’ny toerana natokana ho an’ireo tanora tsy teratany amerikanina tamin’ity taona ity ka ireto tanora malagasy ireto no nahazo ny telo tamin’ireo toerana ireo.

Ato anatin’ny tapa-bolana ireto tanora ireto no hanomboka ny fianarany ary ny taona 2022 no hiverina eto an-tanindrazana hanatevin-daharana ny tafika malagasy ary hampihatra sy hizara ny traikefa izay noratoviny tany Etazonia.

Galona mitovy lenta amin’ny sous-lieutenant no hoentin’izy ireo rehefa tafaverina eto an-tanindrazana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.