Fianarantsoa: Mankasitraka ny fanendrena ny Praiminisitra ny vondron'ny mpitolona eto an-toerana

  • jeudi, 07 juin 2018 12:31
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Taorian'ny fanendrena ny Praiministra Ntsay Christian hitarika ny governemanta vaovao, mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin'i Andry Rajoelina mpitarika ny vondrona maro an'isa ao amin'ny Mapar ny TGV Fondateur sy ny vondron'ny mpiasam-panjakana miaradia amin'ny tolon'ny fanovana eto Fianarantsoa tamin'ny fanendrena ny Praiministra izay manaraka ny andininy faha-54 ao anaty ny Lalampanorenana.

Nambaran’izy ireo tao amin'ny Espace Royal Bateravola, eto Fianarantsoa, ny harivan'ny talata 5 jiona 2018, fa “olona tena manana traik'efa sy azo antoka i Ntsay Christian” ka “manohana ny fijoroan'ny governemanta tarihiny, mba hisian'ny fifidianana azo antoka”.

Nohamafisin’ireo mpanao fanambarana fa fanovana hatrany ifotony ireo tompon'andraikitra efa tsy nahomby sy nanao kolikoly no fanomezana hasina ny rà latsaka noho ny tolona.

(Jereo sary tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.