Mahajanga: Nitombo isa ireo foto-drafitrasa

  • mercredi, 06 juin 2018 14:05
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nahazo foto-drafitrasa vaovao fiandrasana bus miisa enina ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga. Toerana izay sady misy alokaloka no misy fipetrapetrahana. Faritra maromaro no nametrahana izany foto-drafitrasa izany, toy ny eny amin'ny toby fiantsonana nasionaly Aranta, eny amin'ny bord de la mer, ny Makilok, manoloana ny lisea Philibert Tsiranana ary Manjarisoa.

Ho fanatsarana ny tanàna sy ho fanaporofoana amin'ny mponin'i Mahajanga amin'ny fangaharahan'ny fitantanam-bola eny anivon'ny Kaominina izao zava-bita izao raha ny nambaran'ny Ben'ny Tanàna Andriantomanga Mokthar Salim.

Efa ao anatiny tanteraka ihany koa ny fanadinana fifaninana hidirana ho mpiasan'ny kaominina amin'ireo sampandraharaha maromaro toy ny Inspecteur de voirie, ny mpitan-tsoratra, ny Agent de cadastre ary ny mpamily.

Sambany teo amin'ny tantaran'ny kaominina no nisy fampidirana mpiasa tamin'ny alalan'ny fanadinana fa kiantranoantrano hatrany no nisy hatramin'izay, raha ny voalazan'ireo tompon'andraikitra.

Raha ny Police municipale manokana, miisa 40 no horaisina ary hivoaka ny zoma 8 jona ny valim-panadinana an-tsoratra mialohan'ny hirosoana amin'ny adina ara-panatanjahantena.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.