Oniversiten'i Mahajanga: Mizotra ny fampianarana

  • lundi, 04 juin 2018 18:18

Nanao fanambarana manoloana ny mpanao gazety teto Mahajanga ny mpianatry ny oniversite, izay nosoloin'ireo filohan'ny fikambanana isan-tokony tena ny maraina teo teny amin'ny Campus Ambondrona.

Miantso ny tompon'andraikitra aty an-toerana sy ny mpitantana ny oniversite ireto mpianatra ireto mba hijerena izay marimaritra iraisana mahakasika ny fizarana ny trano sy ny raharaha CODIS.

Efa hivoaka ato ato ny lisitr'ireo mpianatra afaka hisitraka ny trano eny amin'ny Oniversite raha ny fanazavan'ireo raha toa ka iray volana katroka izay no nidiran'izy ireo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna tamin'ireo trano ireo, tsy niandry fahazoan-dalana sy ny lamina napetraky ny oniversite.

Angatahan'izy ireo ny tsy hanesorana intsony ireo mpianatra niditra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna tamin'ny trano ireo na dia hampiditra ireo nanao fangatahana ara-dalàna aza ny oniversite.

Efa nivoaka ihany koa ireo lisitra andiany fahatelo mampiantso ireo mpianatra hiatrika ny CODIS taorian' ny fanalefahan-tsazy sy ny famerenana fandinihana ny momba ireo ankizy tsirairay.

Miisa 21 sisa izy ireo no nahazo taratasy fiantsoana hiatrika izany ny 6 jona ho avy izao. Na izany na tsy izany, efa mizotra ara-dalana avokoa ny fampianarana rehetra eny amin'ity oniversite ity amin'izao fotoana izao.

Andrasana araka izany ny valin'ny CODIS sy ny lisitry ny fisitrahana trano eny amin'ny oniversiten' Ambondrona.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.