Amparafaravola: Telo andro tao anaty haizina

  • vendredi, 01 juin 2018 22:49

Mikorontana ny famatsiana jiro amin’ireo renivohitry ny Distrika sasany aty Alaotra Mangoro. Teto Ambatondrazaka izao, dia tapaka nanomboka tamin’ny 5ora maraina ny herinaratra ary tsy niverina izany raha tsy tamin’ny 4ora tolakandro ity zoma 1 jona 2018 ity.

Tao Amparafaravola indray dia telo andro tao anaty haizina ny tanàna. Tsy nahazoana fanazavana mazava ny anton’io fikorontanana io ny tomponandraikitry ny Jirama aty an-toerana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.