Ambositra: Tonga ny fiara mpanadio tanàna nampanantenain’i Marc Ravalomanana

  • mercredi, 16 mai 2018 16:15
  • Sary nindramina

Mila madio ny tanàna, mila fahadiovana ny mponina. Tamin’ny fandalovan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto Ambositra ny 14 mey lasa teo, raha hitodi-doha hiazo an’Antananarivo rehefa avy nanotrona raharam-piangonana FJKM tao amin’ny sinaodam-paritany Ambalavao dia nampanantena fa handefa fiarabe hanadiovana ny tanàna, araka fangatahan’ny mponina taminy mba hanome tanana amin’ny fanadiovana ity renivohitry ny asa tanana ity.

Tonga ireo fiarabe, ary dia efa amperinasa amin’izao, manasa arabe sady mandraraka fanafody miady amin'ny pesta.

Miara-miasa sy mifarimbona amin’izao fanadiovana izao ihany koa ireo mpitondra eto an-toerana. Marc Ravalomanana nandefa fiarabe roa sy solika ampandehanana azy ireo, ny Kaominina ambonivohitra Ambositra nanome olona, ny Prefektiora nanome fanafody DDT nafangaro amin’ny rano ao anaty kamiao hafafy amin’ireo toerana diovina, ary ny orinasa Jovenna manome rano 4m3 isaky ny mandeha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.