Sambava: Lasa nanorenan’olona trano indray ny eny amoron-dranomasina

  • mardi, 15 mai 2018 19:59
  • Sary Gasypatriote Sambava

Raha vao nanontaniana ity ny Benin’ny Tanàna lefitra izay misahana ny foto-drafitrasa dia tsy nisalasala nilaza fa tsy nandalo tao aminy ny fangatahana hanaovana fanorenana ary na dia nandalo aza dia tsy fahefan’ny ato amin’ny Kaominina no manome alalana olona hanorina foto-drafitrasa anaty « pas géométriques ».

Noho izany tsy nitaky fotoana ela fa tonga dia nongotan’ny Ben’ny tanàna lefitra ireo « borne » miisa folo nitsatoka teny ary nanao antso avo izy fa izay milaza ho tompony dia manantona ny birao ary ny trano dia omena fotoana hatramin’ny sabotsy 19 mey izao hialany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.