Anosy: Nahetsika ireo mpomba an’i Hery Rajaonarimampianina

  • lundi, 14 mai 2018 11:15
  • Sary Fb

Nisy adian’olona nilanja sorabaventy teo Anosy manoloana ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ny maraina teo, niandry ny fandalovan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady niazo ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahentena Mahamasina, hanamarika ny fanombohan’ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay mifanindran-dalana amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny 2018.

Lanonana arahina fizaran-javatra maimaimpoana toy ny vary sy menaka, hanehoana fa eo, ary mbola eo ny filoham-pirenena mijery ny sosialim-bahoaka.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.