Fianarantsoa: Manamafy ny fitakiana ny Vovonana sendikaly eto an-toerana

  • vendredi, 11 mai 2018 20:50
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nahazoana alalana tamin'ny Prefen'i Fianarantsoa ny fivoriana sy ny fitokonana tanterahan'ny Vovonana sendikaly ao amin'ny fampianarana, hivondronan'ny ANEFA, CNM, SEMPAMA, SEMPAMA NOSY, eto Fianarantsoa. Fepetra notakiana tamin'izany ny fanaovana ny fihaonana anaty toerana voafefy fa tsy an-kalamanjana.

Ny Foibe-paritry ny Fanabeazam-pirenena eto no nanome efitrano malalaka ahafahana manatontosa izany. Milamina tsy misy korontana ny fivoriana.

Tapaka tao anaty fivoriana ny andron'ity zoma 11 mey ity fa hoentina eny anivon'ny tompon'andraikitra mahefa ny fehin-kevitra fototry ny fitakiana. Voasolo tena nandritra io fotoana io ny mpampianatra amin'ny sampana ankany fibeazana na pré-scolaire, ny fampianarana fototra sy ambaratonga faharoa, ny mpampianatra FRAM, ny ivontoeram-piofanana CRINFP ary ny ENS.

Tsy nisy fampianarana teto an-tananan'i Fianarantsoa arak'izany, ary ny andron'ny talata no isian'ny fihaonana manaraka.

Ny sekolim-panjakana no voakasik'izany. Manohy ny fandaharam-pianarana kosa ny sekoly tsy miankina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.