Ambalavao Tsienimparihy: Tra-tehaka ireo efa-dahy namono Sinoa mpivarotra

  • jeudi, 10 mai 2018 18:27

Nosamborin'ny Polisy ao Ambalavao ny alatsinainy 7 mey ireo nandroba sy namono ilay Sinoa mpivarotra, 69 taona, tamin'ny herinandro lasa teo.

Miisa enina izy ireo ka ny efatra no ananana porofo mivantana sy niaky heloka, hoy ny Commissaire de Police ao an-toerana. Ny roa kosa dia fantatra fa niray tsikombakomba tamin'izy ireo.

Olona mifankazatra amin'ilay Sinoa mpivarotra sy matetika maka entana ao amin'ny magazay no atidoha niketrika io fandrobana miampy famonoana io.

Adiny iray mahery no nanatontosan'izy ireo izany tao an-tranon'ilay mpivarotra ny harivan'ny alarobia 2 mey rehefa lasa nody ireo mpanampy.

Lasan'izy ireo ny vola niangona nandritra ny telo andro sy ny basy poleta iray. Niatrika irery ny vono sy herisetra taminy ilay Sinoa mpivarotra ka ny kapoka mafy teo amin'ny fihirifany no nitarika ratra izay namono azy.

Raha ny fitantaran'ny Commissaire nanome vaovao dia vava tsy tana tao anaty toerana fisotroan-toaka no nahafantarana fa izy ireo no nahavanona io asa ratsy io. Ka nandray andraikitra avy hatrany ny polisy rehefa nahazo fanairana momba izany.

Miakatra Fampanoavana ny andron'ny 11 mey arak'izany ny raharaha.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.