Analakely-Antananarivo: Nirotsaka nanadio ny sendikan’ny mpiasan’ny CUA

  • mercredi, 09 mai 2018 14:23
  • Sary nomena

Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) miisa 500 teo no nanadio ny faritra Analakely sy ny manodidina iny androany maraina. Ny anton’izany dia “noho ny loto tato ho ato niha-betsaka teny an-toerana” noho ny fisian’ny hetsika eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, ka tsy arak’ireo mpiasan’ny Kaominina mpanadio isan’andro intsony ny loto misy.

Nanambara ny filohan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR, Ankoay Andriantsoa, izay nitarika ny fanadiovana fa “hiitatra amin’ireo Boriboritany 6 eto an-drenivohitra, izao fanomezan-tanana ireo mpanadio tanàna ataon’izy ireo izao”.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.