Fanafihana Masera tao Ambano: Basy kilalao no nampiasain’ireo jiolahy nandrobana vola vidin-kisoa

  • mardi, 08 mai 2018 14:12
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Ny alin'ny alatsinainy hifoha ity talata 8 mey ity no nisehoan’ny fanafiana ny Tobin-dry Masera Lasalety tao Ambano-Antsirabe II, izay toeram-piompiana sy fambolena izy io. Jiolahy niisa fito ary nitondra basy kilalao sy kibay no nanafika.

Nofatoran'ireo jiolahy ny mpiambina ary novakian'izy ireo ny varavaram-by nidirana tao an-trano. Noteren’ireo jiolahy hamoaka vola 20 tapitrisa ariary ry Masera. Noheverin’ireo jiolahy fa mitazona ny vola azo nandritra ny Kerimesin’ny Fiangonana ny faran’ny herinandro teo ireto masera ireto ka izany no tena notadiavin’izy ireo raha ny fanazavan’ireo Relijiozy.

Vola 7 hetsy Ariary, vidin-kisoa ary saika handoavana faktioran'ny Jirama sy ny karaman'ireo mpiasa ao aminy no tao ka io no nentin'ireo jiolahy, niampy ny findain’ireo masera telo mirahavavy ao an-toerana.

Nisy masera iray saika niharan’ny herisetra ary efa nentin'ireo jiolay nivoaka ny trano ka noheverina fa nataon'ireo jiolahy takalon'aina saingy tafaporitsaka ary niafina tany anaty saha izy, ka ora maro taty aoriana vao nipoitra. Naratran'ny vakin-tavoahangy ny kibony sy ny lamosiny noho ny fihanihana tamboho.

Tsiahivina fa mbola ny fikambana’ireto masera ireto ihany koa no lasibatry ny fanafihan-jiolahy niaro fanolanana nitranga tao Antsahatanteraka, Kaominina Andranomanelatra, herintaona sy iray volana katroka izay.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.