Ambano-Antsirabe II: Tobin-dry masera Lasalety notafihin'ny jiolahy, masera iray takalonaina

  • mardi, 08 mai 2018 08:48

Notafihin'ny jioaly nirongo fitaovam-piadiana niisa 7 ny tobin'ny masera ao amin'ny Kaominina Ambano-Antsirabe II ny alin'ny alatsinainy 7 mey 2018.

Norahonan'ireo jiolahy mba hamoaka vola ireo masera ary nisy iray nataon'izy ireo takalon'aina.

Raha ny fanazavan'ny Ben'ny Tanàna dia tsy nisy aloha ny naratra ary mbola tsy fantatra mazava ny vola lasan'ireo jiolahy.

Io maraina io dia fantatra fa navotsotr'ireo jiolahy ilay masera nataon'izy ireo takalonaina.

Efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy ataon'ny Zandary amin'izao.

Fikambanan-dry maseran'ny Lasalety ity voatafika ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.