Ambovoalana- Mahajanga: Sarona ny mpangalatra akoho gaigilahy

  • mardi, 24 avril 2018 22:41
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Efa ela no niandrasan'ny mpiara-monina amin'ity tovolahy ity, izay tena raindahiny amin'ny fangalarana akoho aman-borona fa izao vao sarona.

Mponina eny amin'ny fokontany Ambovoalana ihany ity tovolahy vao 18 taona ity ary efa tsikaritry ny manodidina fa izy ihany no manao mpamosavy malemy mamely ny manodidina.

Saika mbola hilefa ity farany na dia tratra ambody akoho izao aza omaly saingy tsy namelan'ny olona intsony. Mody nitsoraka tao anaty lakandrano maloto feno fotaka izy avy eo kanefa tsy niverin-dalana ireo mpanenjika.

Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka saika nihatra tamin'ity tovolahy ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.