Arfagate: Namarinin'ny Kaomisionina etika fa madio ny minisitry ny fitsarana

  • mardi, 06 mars 2018 08:18
  • Sary Gasypatriote

Nampiantso ny mpanao gazety tamin'ny zoma 02 mars lasa teo ny kaomisionina momba ny etika eo anivon'ny ministeran'ny fitsarana momba ny raharaha Houcine Arfa.

Voalaza tamin'izany fa efa nohainoin'ity kaomisionina ity ny minisitry ny fitsarana izay nizingizinin'i Houcine Arfa fa nandray vola 70 000 Euro taminy, nohainoina ihany koa hoy hatrany ity kaomisionina ity ny Mpampanoa lalàna izay anisan'ny voalaza fa nandray vola ihany koa.

Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ity kaomisionina etika ity, dia madio ny minisitry ny fitsarana sy ny Mpampanoa lalàna.

Nanambara ihany koa moa ny Lehiben'ny Bianco fa dia ampiantso ny minisitry ny fitsarana sy ireo rehetra voatonitonina tamin'ity raharaha Houcine Arfa ity, ka dia ho hita eo ny tohiny.

Hatreto aloha dia nanamafy ity kaomisionina etika ity, fa tsy nisy ny braquage, izany hoe fanafihina ilay fiara nitondra an'i Houcine Arfa, fa dia firaisana tsikombakomba ihany no andraisana ity raharaha ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.