Antsirabe: Raikitra ny tetikasa CYF

  • lundi, 12 février 2018 20:23
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Natomboka teto Antsirabe ny alatsinainy 12 febroay 2018 ny tetikasa CYF na ny “Centre cYber Formation”, sahanin’ny fikambanana “Liana Madagasikara”.

Hanerana an’i Madagasikara ny tetikasa, saingy amin’izao voalohany izao dia toerana miisa 7 no hanombohana izany ka ity natomboka teto Antsirabe ity ny voalohany, arahin’ny ao Morondava sy Toliary ary i Mahajanga sy Antananarivo.

Miompana amin’ny sokajy telo ny tetikasa, dia ny CYF ho an’ny ankizy 4 taona ka hatramin’ny 15 taona, CYF hoan’ny rehetra ary ny CYF Kaominaly. Tohin'ny ny tetikasa E.I.P na ny « Ecole de Pilotage Informatique » nosahanin’ny Antilin’i Madagasikara tao Antananarivo moa ity tetikasa ity, araka ny nambaran’Atoa Rakotomalala Andriharivola, tompomarika tamin’ny tetikasa.

Ho an’Antsirabe dia hisy foibe-toerana miisa roa hapetraka ka ao amin’ny fokontany Tomboarivo sy Mahazoarivo avaratra no hisy izany, izay hametrahan’ny « Liana » fitaovana nomerika ahafahana manao fikaroahana arahina tohana, ka ankoatra ireo dia miisa 15 ny toerana hapetraka manerana an’i Madagasikara amin’izao fiandohana izao, ary ahatratra hatrany amin’ny 50 no tanjona hatramin’ny taona 2020.

Tanjona dia ny ahaizan’ny tanora mifehy ny teknolojia vaovao hiofanana sy hianarana ho fampandrosoana ny tenany sy ny manodidina ary ny firenena.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.