Fahasalamana: Nalefa hotsaboina any an-drenivohitra i Mirionda kely

  • lundi, 12 février 2018 08:42
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tsy voatsabo taty SAVA ny aretina fivontosana amin’ny loha izay mianjady amin-dRasoanirina Fanomezantsoa Mirionda izay tsy mitsaha-mibontsina isan’andro nanomboka izy vao teraka ny 28 janoary 2018 tao Ambodiangezoka Andapa, raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny reniny Rasoanirina Claudia.

Niaraka nisalahy ny mponina aty SAVA dia ry zareo avy tao amin'ny sampandraharahan’ny mponina no nanentana ka amin’izao dia nahita mpiara-miombon’antoka handray an-tanana ny fitsaboana ity zazamenavava ity dia ry zareo avy amin ny Association Compassion Madagascar, ary ny solombavam-bahoaka Zoky Vonjy no niantoka ny sarandalana ho azy mianaka.

Omaly alahady 11 febroary 2018 tamin’ny efatra ora tolakandro no niala teto Sambava ny fiaramanidina nitondra azy mianaka hanaraka fitsaboana any Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.