Sambava: Nipoaka ny tratrany, maty tsy tra-drano ilay tovolahy

  • dimanche, 11 février 2018 17:32
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tranga hafa kely ity niseho androany tamin’ny 9ora maraina ity, tao Agnolakely, Kaominina Ambohimalaza. Tovolahy iray no nisy zavatra nipoaka tampoka avy teo amin'ny tratrany ary maty tsy tra-drano teo ampijerena sarimihetsika.

Tovolahy, 18 taona. antsoina hoe Besahidy Jolin dit Bafotsy ity niharam-boina ity. Nisy zavatra nipoaka teo amin'ny faritry ny nonony ary nipoaka mafy be. Nandriaka ny ra. Nifarimbona ny olona nanao izay nanavotana azy fa tsy tana ny ainy.

Ireo mpifanolo-bodirindrina dia nihevitra fa ny "batterie" izay miaraka tamin'ny "convertisseur" no nipoaka teo ampijerana sarimihetsika ; tsy nahitana soritra fahasimbana na dia kely aza anefa ireo fitaovana ireo fa ny vatan'ilay tovolahy efa nitsirara tamin'ny tany no hita.

Ny fianakaviana nilaza fa tsy mbola nahare karazana aretina mitaiza tamin'ilay tovolahy ; nanaitra azy ireo ny nahafaty tampoka ity tovolahy ity.

Voatery nodidina ny razana mba hahaizan'ny fianakaviana inona marina ny zavatra nipoaka tao amin'ilay tovolahy. Vita tamin'ny 11ora sy sasany ny fandidiana izay natao tao amin'ny tranom-paty CHRR Besopaka-Sambava. Mbola nijanona ho tsiambaratelo hatreto ny valin'ny fitiliana natao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.