Sambava: Voasambotra i Jimmy Fôrôsy, dahalo rain-dahiny

  • vendredi, 09 février 2018 14:29
  • Sary Gasypatriote Sambava

Asa fampihorohorohona maro no efa nanenjehana an’i Beantoandro Jimmy Reginaldo dit Jimmy Fôrôsy. Efa nisy fotoana nitsoaka teo ampanaovana famotorana azy teny amin’ny mpitandro filaminana izy, ary tamin’ny taona 2016 aza dia voatery nitifitra ny Polisy teo ampisamborana azy teny Antanifotsy-Sambava fa tsy nahavoa azy.

Omaly 08 febroary 2018 tao anatin ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’ny Lehibeny Commissariat de Police Totozara Théogène fa “maherin'ny roapolo ny fitoriana tonga ato amin’ny Polisy amin’ny asa ratsy vitan’ity Jimmy ity izay mpamono olona, mpandroba, mpanolana… ka ny alarobia 07 febroary 2018, teo ampanaovana asa ratsy nandroba teny an-tsena izy no tra-tehak’ireo tanora matanjaka tao Antanifotsy, nefa rehefa tonga ny Polisy haka azy dia efa tonga maro teo ihany koa ny fianakaviany sy ny namany nitady tsy hanaiky ny hitondran’ny Polisy azy”.

Misy hatrany ireo olona ambony manelanelana rehefa misy olona tahaka ity ka lasa mahakivy ny mpitandro filaminana manao ny asany, ka mampanahy ny mponina aty amin’ny faritra SAVA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.