Malaimbandy: Mitaky ny hanoloana ny Ben’ny Tanàna ho PDS ny vahoaka

  • jeudi, 08 février 2018 14:57
  • Sary Gasypatriote Malaimbandy

Mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha aty Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo. Misy andian’olona voalaza fa mitaky ny hametrahana PDS, hasolo ny Ben’ny Tanàna. Etsy ankilany ity farany mihevitra fa misy manao izay hanakorontanana ny tanàna, noho ny antony politika.

Efa tamin’ny 12 desambra, hoy ny andaniny, ingahy Ben’ny Tanàna no niala taty Malaimbandy ary tsy niverina hatramin’izao. Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasan’ny “voirie”, ny fananan’ny Kaominina misy mivarotra...

Ny fiandohan’ny herinandro teo dia tonga taty Malaimbandy ny solombavam-bahoaka sy ny sefo Distrika, nanazava ny lalàna ary nitondra taratasy misy ireo porofo voasonian’ny vahoaka ary arahina fangatahana PDS.

Tetsy ankilany nanazava ny Ben’ny Tanàna, fa nanoloana ny fisian’ny tranga fakana an-keriny nisesy, izay nanome laza ratsy ny Kaominin’i Malaimbandy tantaniny, dia niakatra ao Antananarivo ny tenany, nanatona ny tompon’andrikitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mba hanampiana isa ireo Zandary ao hanenjika ireo olon-dratsy, hamongorana ity resaka “kidnapping” ao Malaimbandy ity, izay efa olona maherin’ny 50 no lasibatra tao anatin'ny efa-bolana.

Nilaza ihany koa ny Ben’ny tanàna fa noho io ezaka ataony hamerina ny fandriampahalemana io dia mahazo fandrahonana ho faty ny tenany, ka voatery niaro tena, ary anisany antony nampijanona azy ao Antananarivo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.