Fianarantsoa: Manetsika ifotony ny ADN aty an-toerana

  • mardi, 06 février 2018 19:09
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nanomboka ny hetsika fampisiana fiaraha-miasa amin'ny fokontany ny Antoka sy Dinan'ny Nosy amin'ny alalan'ny fanadiovana teo Tambohobe ny andron'ity talata 6 febroary ity.

Izany dia natao teo ambanin'ny lohahevitra voizina antsoina hoe Ecolobus, izay anentanana eo amin'ny lafiny tontolo iainana sy Zon'olombelona.

Nanatanteraka io fiarahana mandio amin'ny solontenan'ny mponina eo amin'ny fokontany io ny mpikambana ao amin'ity antoko politika nijoro volana vitsivitsy teto Fianarantsoa ity.

Andrasana eto an-toerana ny andron'ny alarobia 7 febroary kosa ny filoha mpanorana ny antoko mba hitondra fanazavana momba ny Federalisma Sahaza.

Handalo eto Fianarantsoa i Razafindravahy Edgard arak'izany, izy izay isan'ny nanetsika an'ity tanàna ity tamin'ny andron'ny fampielezankevitra farany tamin'ny anaran'ny antoko hafa.

Ho fantatra ao anatin'io fihaonana amin'ny mpikambana sy mpanara-baovao io ny fizotry ny zavatra rehetra niseho tamin'ireny fifidianana farany ireny sy ny hoavin'ny politika entiny ihany koa eo amin'ny sehatry ny raharaham-pirenena.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.