Sambava: Voasambotry ny Polisy ilay nikapa antsy ka nahafaty ny rahalahiny

  • lundi, 05 février 2018 14:01
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny 28 janoary 2018, hoy ny Commissaire de Police Sambava Totozara Théogène no nitranga ny fifamonoana mahatsiravina tamin’ireto mpiraitam-po ireto, izay niseho tao Soavinandriana. Resaka tahon-davanila izay an'ny Rain’izy roa, izay efa maty tamin’ny volana desambra 2017, no nampifanolana azy roalahy ka niafara tamin'izao fifamonoana izao.

Ilay zokiny no nahavita nandatsak'aina. Nilaza izy fa niaro tena rehefa nanambana zava-maranitra nikasa hanindrona azy ny zandriny.

Nandositra anefa izy raha vao fantany fa maty voakapa antsy ny zandriny atao hoe Eric dit Dagnaka dia izao izy voasambotry ny Polisim-pirenena izao.

Taorian'ny famotorana natao dia hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga voaloany any Antalaha i Damy Rodolphe, ilay nahavanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.