Ambatondrazaka: Ravan’ny Polisy ny andian-jiolahy mpamaky trano

  • dimanche, 04 février 2018 12:25
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Nody ventiny ny fikarohana sy hazalambo nataon’ny Polisy, hisamborana ireo andian-jiolahy mpamaky trano eto an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro sy ny manodidina. Folo mianadahy izy ireo izao no tratra, ka ny sivy dia mpiray tendro amin’ny vaky trano nisesy teto Ambatondrazaka.

Ny tovolahy iray kosa dia ny fihetsiny sy ny entana nentiny no nampiahiahy ny Polisy miasa tao amin’ny fokontany Anosindrafilo. Rehefa nosavaina izy dia nahitana basy vita gasy miaraka amin’ny bala maro sy lamba fanafenana endrika.

Natolotra ny Fampanoavana ny zoma 02 febroary izy ireo, ary notanana am-ponja vonjimaika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.