Mahambo-Fenoarivo Atsinanana: Voasambotra i Celin, ilay mpimasy mpamono olona

  • vendredi, 02 février 2018 21:47
  • Sary nomena

Nampitondra faisana ny fiaraha-monina tao Salaifaina Fokontany Ambohimalaza, Kaominina Mahambo, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny vono olona maro nataon’i Celin, 35 taona, izay misy hatrany ny fanampahan-doha.

Taorian’ny namonoany ho faty ny rafozam-baviny ny 01 novambra 2017 sy ilay rangahy antsoina hoe Christian Eva na Risy 54 taona ny 24 janoary 2018 teo, dia voasambotry ny Zandary tao Fenoarivo Atsinanana i Celin.

Voasambotra niaraka taminy koa ny zokiny sy ny namany ary ireo efatra mianadahy ambiny, mpiara-manao ity vono olona ity aminy amin’ny maha-ombiasy azy ao an-tanàna.

Mitaky ny hanaovana sesintany azy ny vahoaka ao Ambohimalaza Mahambo satria hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha raha manao somonga ny zava-misy ny Zandary sy ny Fitsarana ka miverina an-tanàna ireto mpamono olona ireto.

Ankoatra izay dia mikatona avokoa ny sekoly any an-toerana izao noho ny tahotr’ireo mpampianatra dimy mianadahy ao an-toerana izay tafiditra ao anatin’ny lisitry ny olona, hovonoin’i Celin sy ny ekipany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.