Mahajanga: Sahirana ny fanjakana amin’ny famahana ny olan'ny oniversite

  • vendredi, 02 février 2018 20:45
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nidina aty Mahajanga ny solontenam-panjakana tarihin’ny filohan'ny Antenimierandoholona Rakotovao Rivo sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Rasoazananera Monique, mitarika fifampidinihana tsy azon’ny besinimaro natrehina, tao amin’ny Sunny Hotel, hikaroham-bahaolana hamahana ny olan’ny oniversiten’i Mahajanga.

Teo ny filohan'ny oniversiten'i Mahajanga, Pr Rakotoarivony Andrianony Emmanuel, ny lehiben'ny faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar. Manatrika eto ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny OMC eto Mahajanga.

Niandry teo ivelany ireo solontenan'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Hentitra ny filohan'ny Antenimierandoholona nilaza fa “tsy maintsy alamina ny oniversite ary tsy azo ekena ny fanakorontanana”.

Efa fidinana ifotony fanindroany izao atao aty Mahajanga izao ho an'ireto delegasiona ireto amin'ny raharahan'ny oniversiten'i Mahajanga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.