Fianarantsoa: Jerena manonkana ireo mpampianatra tapaka karama

  • jeudi, 01 février 2018 12:15

Miisa 131 ireo mpampianatra tapaka karama eto Matsiatra Ambony vokatry ny fanadiovana ireo mpiasam-panjakana “matotoa” ataon’ny fanjakana. Efa tafaverina ny an'ny 60 amin'izany, ka ny 57 dia avy ato amin'ny fiadidim-pampianarana eto Fianarantsoa avokoa.

Nanatanteraka fandaminan-draharaha miaraka amin'ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpampianatra ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ny alatsinainy lasa teo. Andrasana ny andron'ity alakamisy 1 febroary ity ny fivoaran'izany eny anivon'ny sampandraharahan'ny fitantanam-bola eto an-toerana.

Nisy ny vina fitsinjovana manonkana an'ireo mpampianatra tsy mbola nahazo ny rariny ireo raha ny tapaka tao anatin'io fivoriana io.

Nilaza hirotsaka an-tsehatra amin'ny ady sisika ihany ko ny ray aman-drenin'ny mpianatra mba ho fanafainganana ny famoaham-bola tandrify ireo mpampianatra tapaka karama ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.