Sambava: Tanora 16 taona nanao fandrobana tamin’ny basy kilalao

  • lundi, 22 janvier 2018 13:50
  • Sary Gasypatriote Sambava

Raim-pianakaviana iray nitondra moto no nosakanana tovolahy telo, raha sendra nitety tora-pasika izy. Nitaky ny hanomezana ilay moto izy telo lahy, sady nandrahona tamin’ny feo hoe : “raha mbola tianao ny hiaina ary basy ity ka aza mihetsika”.

Natahotra ny ainy, tsy afa-nanoatra ilay raim-pianakaviana ka nomena tsy fidiny ilay moto.

Nitondra ny raharaha teny amin’ny Polisy ilay niharan’ny fandrobana. Natao ny velapandrika. Tra-tehaka ny iray, izay tsy ampy taona, 16 taona, basy kilalao no hita niaraka taminy.

Tafaporitsaka ny roalahy namany izay mbola karohina.

Hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany any Antalaha taorian’ny famotorana natao taminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.