Sambava: Lavanila halatra tsy matoy 39,5kg no nopotehina

  • dimanche, 21 janvier 2018 15:19
  • Sary Gasypatriote Sambava

Avy amin'ny toerana telo samihafa ireto lavanila tratra ireto hoy ny avy amin’ny Zandary, ka ny 9kg avy tao Ambohimarina, Kaominina Maroambihy. Nisy olona roa voasambotra niaraka taminy raha iny nikasa handray fiara fitaterana hamoaka ny vokatra ho aty Sambava. Efa any am-ponja izy ireo taorian'ny famotorana natao azy ireo ny 15 janoary 2018.

Taorian'io dia nisy ny 15kg avy tato Ambodisatrana Kaominina ambonivohitra Sambava, ary ny 15,5Kg tratra teo Moratsiazo Sambava. Tsy nisy voasambotra ny mpangalatra tamin'ireto tranga roa ireto fa tafaporitsaka avokoa.

Mampanahy mafy ny hoavin’ny lavanila ny aty SAVA raha tsy voafehy ity resaka halatra sy ny fividianana lavanila mialoha ny taom-piotazana ity, hoy Rabenefitra Henri avy amin'ny Plateforme Régionale Filière Vanille SAVA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.