Sambava: Mampisavorovo ny fanorenana gare routière vaovao

  • dimanche, 21 janvier 2018 10:37
  • Sary Gasypatriote Sambava

Namoaka taratasy fanomezan-dalana ny Kaominina hanorina Toby fiantsonan'ny fiarakodia ny fanjakana, taratasy nosoniavin'i Rivo Rakotovao fony izy minisitry ny fambolena ny 3 oktobra 2017. Tanin'ny sampandraharahan'ny fambolena faritra SAVA (DRAE SAVA) izy io.

Vao nahazo ny taratasy ny Kaominina dia nampiomana ireo mpiasa misotro ronono miorim-ponenana amin'ilay toerana voatondro mba hiala, hanombohana ny asa fanorenana izay kendrena hanomboka rahampitso alatsinainy 22 janoary.

Milaza kosa ny avy amin'ny DRAE SAVA fa tsy hajain'ny Kaominina ny votoatin'ny taratasy fanomezan-dalana izay milaza ny tokony hisian'ny fifanantonana mialoha hifandaminan'ny roa tonta.

Inona no hitranga rahampitso manoloana izany ?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.