Vakinankaratra: Nankalaza ny andron'ny vilona

  • vendredi, 19 janvier 2018 17:56
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Notontosaina androany tao Andranomanelatra-Antsirabe II ny fankalazana ny andron'ny vilona, ho an'ny faritra Vakinankaratra. Hetsika karakarain'ny MDB na ny Malagasy Dairy Board ity hetsika ity, ho fampandrosoana ny fiompiana sy fampiakarana ny vokatra ronono.

Tsy nahazatra ny olona loatra ny fambolena vilona ka mitarika ny fihenan'ny vokatra. Tsapan'ny MDB ihany koa fa ny velarantany ho volena no sakana.

Ezahina moa ny hanitaran'ireo ny asa fihariana ataony amin'ny fambolena vilona, satria io no anton'ny hanaovana hetsika toa izao.

Faritra fito no nanaovana hetsika toa izao, dia i Fianarantsoa, Amoron'i Mania, Analamanga, Itasy, Bongolava ary Alaotra mangoro.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.