Fianarantsoa: Basy mahery vaika 2 no hita hatramin'ny taom-baovao

  • jeudi, 18 janvier 2018 12:48
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Tany amin'ny Kaominina Mangidy, Distrikan’Ikalamavony no niseho ny fanafihana nataon'ny dahalo ny 22 desambra lasa teo. Niisa 24 izy ireo ka ny iray lavon'ny Zandary sy ny Fokonolona.

Telo herinandro aty aoriana vao hita ny basin'io dahalo io ary velampandrika tao Ambalamidera no nazahoana azy. Tovolahy 18 taona no nahatrarana io basy kalach io farany. Nosamborin'ny Zandary tao an-toerana izy ka nampiakarina eto Fianarantsoa mba hatolotra ny Fitsarana.

Tsy niaiky ho tompon'ny basy ilay tovolahy ary tsy nanome anarana ihany koa. Tsy nisy bala niaraka tamin'izany basy izany.

Mbola eo am-pikarohana ny dahalo sy ireo nahavanon-dratsy nandritra io fanafihana io ny Zandary any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ito no vokatra faharoa hatramin'ny fiadohan'ny taona 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.