Morondava: Mpanao gazety roa voantso hanaovana fanadihadiana eny amin’ny Zandary

  • dimanche, 14 janvier 2018 21:43

Mivoatra hafahafa ilay sambo lay na kotsia “Kajananas” nitondra sokatra niisa 500 avy any Maintirano haterina any Mahajanga, saingy fefiky ny ranomasina tao Morondava. Mpanao gazety roa mianadahy izao no nahazo fiantsoana halaina am-bavany eny amin'ny Zandary rahampitso, rehefa nikiry nitaky ny mangaraharaha mikasika ny nanjavonan'ny sasany tamin’ireo sokatra velona, tsy araka ny tarehimarika nifanatrehan'ny rehetra tamin'ny nanisana azy rehetra tratra.

Rehefa natao ny fanisana tamin’ny alarobia nahafefika ilay kotsia ka nahitana ireo sokatra dia 282 tamin’ireo 500 no velona. Nisy lehilahy iray voatazona. Ny Polisy no nandray an-tanana ny fanadihadiana. Nalefa teo ampelan-tanan’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana ny sokatra velona. Nanara-maso ny fanisana sy ny fitaterana ireo sokatra ireo ny mpanao gazety tao Morondava.

Ny alakamisy ampitson’io anefa dia nahazo loharanom-baovao indray ny mpanao gazety tao Morondava fa 217 sisa ny sokatra velona. Roso tamin’ny fikaroham-baovao, nanontany ny manampahefana sy ny solotenam-panjakana ny anton’io fihenana tampotampoka io isan’ny sokatra io tao anatin’ny 24ora ireo mpanao gazety tao Morondava. Niovaova be ihany ny tarehimarika nanomboka teo. Voalaza fa nisy sokatra 6 maty. Mbola be ny elanelana na nisy aza izany.

Omaly sabotsy 13 janoary dia nisy ny fihaonana notarihin’ny Prefen’i Morondava, natrehin’ny lehiben’ny Faritra Menabe, ireo mpiara-miombona antoka amin’ny sehatry ny tontolo iainana. Niakatra ny feo, voakihana mafy mpanao gazety nitaky ny mangarahara. Niafara amin’ny fampiantsoana eny amin’ny Zandary rahampitso ny raharaha. Mpanao gazety roa mianadahy no hiatrika ny Zandary, miaraka amin’ny porofo (raki-peo) eo ampelan-tanan’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.