Vakinankaratra: Nihena ny halatr'omby sy fanafihana mitam-basy

  • dimanche, 14 janvier 2018 21:14
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Azo lazaina fa fahombiazana hoan’ny Zandarimaria Antsirabe ny taona 2017 raha ny tombana nataon’izy ireo omaly qabotsy 13 janoary.

Raha ny halatr’omby dia nihena izany, satria raha 56 ny tranga ny 2016 dia 34 kosa ny 2017 lasa teo.

Somary voafehy ihany koa ny fanafihana mitam-basy sy ny fanakanana fiara tamin’ny lalam-pirenena faha 7 sy faha 34, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny Zandary.

Nomarihin'ny kolonely Rasamboson, Komandin’ny Vondron-tobimparitry ny Zandary Vakinankaratra, anefa fa ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona dia nitombo raha ny teto Vakinankaratra.

Amin’ity taona 2018 ity dia hamafisina ny toromariky ny fibaikoana ny Zandary ka hohamafisina ny fifandraisana matotra amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana Zandary eny anivon’ny fiaraha-monina. Eo ihany koa ny fisorohana mialoha ny tsy fandriampahalemana amin’ny fanelezana ireo laharana hiantsoana ny Zandary mba hampandrenesana azy ireo mialoha raha misy tranga.

Ny momba ireo rafitra hafahafa toy ny “Zazamainty” sy ny “Zazamena” ary ny “Jamà”, izay nambarany fa efa nankatoavin’ny prefektiora fa hampidirina ao anaty rafi-panjakana sy ny dina izy ireo raha hita fa ilaina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana satria misy ihany ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo ka efa nisy 8 tamin’izy ireo no nahiditra am-ponja noho izay tsy fanarahan-dalana izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.