Marc TATANDRAZA: Karohina

  • dimanche, 14 janvier 2018 15:56

Ho famaliana ny fanontaniana maro be izay tonga eo anivon'ny ZP mikasika ny momba an'i Marc TATANDRAZA dia tsara ny ahalalan'ny be sy ny maro fa

- efa nisitrika sy niery hatramin'ny taona 2017 teo ity lehilahy ity noho ny fikarohana izay nataon'ny ZP azy tamina fandikan-dalàna maro vitany tamin'ny faritra maromaro teto amin'ny nosy, ka nisiana fitorian'olona maro azy. Mbola mitohy miafina tsy sahy mipoitra izy hatramin'izao ary mbola mitohy noho izany ny fikarohana azy;

- tamin'ny volana may 2017 teo dia efa nisy olona miisa 02 mpiray tsikombakomba taminy tamin'ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona miisa 12 (avy tany Mananara avaratra sy Soanierana Ivongo), nentiny nakany Bekily, no efa tafiditra am-ponja vonjy maika ao amin'ny fonjan'Ambovombe Androy noho ny famotorana nataon'ny ZP azy ireo tany an-toerana noho izany heloka bevava niraisan'izy ireo tsikombakopmba izany (efa tafaverin'ny ZP teo anivon'ny fianakaviany tsirairay ireo zaza ireo taorian'izay), i Marc TATANDRAZA kosa tamin'io dia nandositra ka mbola tsy hita hatramin'izao;

- Raha niseho teny amin'ireny tamba-jotra sosialy ireny izy nilaza fa maty tany Bekily ny faramparan'ny volana desambra teo dia ambara fa, taorian'ny fikarohana sy ny fanadihadiana lalina dia tsy tany an-toerana na iray segondra izy ary tsy nisy fanambarana fahafatesana na fangatahan-dalana hanao fandevenana natao momba azy tany amin'izany distrika izany sy ny fokotany rehetra misy any;

Noho izany dia manambara ny ZP fa mbola mitohy ary mbola manan-kery ny "avis de recherche" amin'ny anaran'i Marc TATANDRAZA izay efa nivoaka hatramin'ny taona teo aloha ka ilazana izay rehetra mety mahita na mahalala izay toerana misy azy mba hilaza haingana amin'ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra.

Zandarimariam-pirenena

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.