Manamboninahitra eto Mahajanga: Nankalaza ny 12 janoary teny amin'ny Tobin'ny Zandarimaria Colonel Jean Philippe

  • vendredi, 12 janvier 2018 09:36

Toy ny isan-taona, dia nankalaza ny 12 janoary izay Andron’ny Mananamboninahitra ny teto Mahajanga ary tsy voasakan'ny andro ratsy sy ny ora-mikija izany.

Nosantarina tamin'ny lanonana ara-miaramila izany, ka nanomezam-boninahitra ireo Zoky miaramila. Araka ny fomba, notolorana gisa na "Oie traditionnelle" ireo lehiben'ny Manamboninahitra eto Mahajanga. Ny Kaomandin'ny Faritany miaramila fahaefatra, lefitra voalohany Kolonely Ravoavy sy ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena faritany Mahajanga Kolonely Behivoka Fiederch.

Hazakazaka no nanohizana izany, niainga tao amin'ny Toby nihazo ny “bord de la mer”, sy ny lalao ara-panatanjahantena teny amin'ny kianja mitafo.

Araka ny tantara, kolontsaina entin'ireo Manaboninahitra nankalazaina hatramin'ny taona 1967 ny 12 janoary ary mbola voatazona ankehitriny izay hankalazaina isan-taona.

Miova kely amin'ny mahazatra andavanandro satria ny Manamboninahitra zandry no mibaiko ireo Zoky mandritra io andro io.
Antony, ny tantara niseho tany amin'ny Sekoly Miaramila Antsirabe (ACMIL) tamin'ireo andiany voalohany tamin'io taona io.

Fiarahana nihinana vary amin'anana no namaranana ny fankalazana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.