Tetezana Vohiposa: Rava tanteraka, arindra ny fitateram-bahoaka

  • jeudi, 11 janvier 2018 10:24
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Niteraka savorovoro aty Vohiposa ny fahatongavan'ny lakana roa avy amin'ny CPC na Corps de Protection Civile sy ny an'ny Lac Hotel avy ao Sahambavy ho famahana ny olana fiampitana olona. Maimaimpoana ny fampiasana ireo lakana ireo ary manatanteraka ny asa izay efa natomboky ny vahoaka ifotony, izay nanamboatra zahatra ny ampitson'ny faharavan'ny tetezana.

Izany vahaolana vonjimaika niarahana nanapaka tamin'ny lehiben'ny Distrika sy ny Depiote aty an-toerana izany no nentina manao fiampitan'ny olona taty an-toerana ary nandoavam-bola izy io.

Ny olana nitranga ny datin'ny alarobia 10 janoary dia ny fanasintahana ireo olon-tsotra namolaka ny toerana tao anaty efatra andro, mba hiasan'ny fitaovana avy amin'ny fanjakana.

Tonga nandamina izany taty an-toerana ny lehiben'ny Faritra izay nametraka fa ny fandaminan'ny fanjakana no laharam-pahamehana ka misafidy ny mpandeha na handray ny lakana maimaimpoana na hiampita amin'ny zahatra andoavam-bola.

Hatreto dia ny “transbordement » no mihatra mba ho fitaterana ireo mpandeha amin'ity toerana ity. Efa nanomboka ny asa fivilianana ho fanamboarana tetezana vonjimaika.

Tsy mbola fantatra ny andro ahavitan'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.