Mahajanga: Dahalo 50 no voasambotra ary 31 maty lavo nandritra ny fifanjevoana

  • mercredi, 10 janvier 2018 14:08

Nanao tatitry ny fampandriana fahalemana nataony nandritra ny taona 2017 ny miaramilan’ny RM4 Mahajanga.

Omby miisa 1607 no very ka ny 1122 tamin’ireo no tafaverina tamin’ny tompony. Dahalo miisa 50 no voasambotra ary 31 maty lavo nandritra ny fifanjevoana.

Basy miisa 18 no azo teny an-tanan’ireo dahalo sy sarona nandritra ny fisavana ka ny 5 amin’ireo basy vita gasy, ny 12 calibre 12 ary ny 2 PA.

Ny faritra Betsiboka sy Melaky no tena faritra mena nahitana asan-dahalo sy halatr’omby tamin’iny taona 2017 iny.

Nahatratra 24 ny fangatahana vaovao ahazo miaramila hanao DAS any amin’ireo kaominina ambanivohitra izay tsy mbola manana biraon’ny mpitandro ny filaminana.

Tsy maharaka ny fangatahana ny isan’ny miaramila afaka alefa mamita iraka any ambanivohitra mampandry fahalemana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.