Nosy be: Niakatra ny vidim-piainana

  • mardi, 09 janvier 2018 10:54
  • Source et Photos Bebel Betombo Nosy Be

Na tsy vataben’ny rivodoza Ava aza nandalo teto Nosy be, fa rambondrambony nefa nametraka taketry ; Lakana miisa 12 very, 19 vaky tao amin’ny plage ny Dzamandzar Ampasy Nosy be vokatra ny fandalovan’ny rivodoza Ava, ary 13 fianakaviana vohatery nadoso amin’ny tranony ka napetraka amin’ny école.

Sehatra ny fampianarana ndraiky école communautaire tsaiky tsara ao Ambondrona ndraiky Antsatrakolo lavon'ny tsiko.

Eo ihany koa iro kakazo lavo, ndraiky trano vitsivitsy, tsy mahazaka tsiko ndraiky mahaleny. Eto dia tsisy ny maty ndraiky maratra amin’ny ankapobeny eto an-toerana.

Izikoa tsisy raha nandeha teto Nosy be mampitohy Ankifiny nandritra ny telo andra, noho ny rivodoza Ava iny dia nametraka fasahiranan’ny mponina eto an-toerana satria niakatra ny vidin-draha ato bazar be Hell ville.

Tomate araiky vidina 3 000 ka hatramin’ny 5 000Fmg + feliky telo 2 500Fmg + henan'aomby nofiny 80 000Fmg, taholany ndraiky 65 000Fmg.

Vary gasy amin’ny gony amin’ny boutique eo anelanelan’ny 610 000Fmg ka hatramin’ny 625 000Fmg + Pakistan 410 000Fmg ka hatramin’ny 475 000Fmg.

Ao bazar be ndraiky vary gasy kapohaka araiky 3 250Fmg ka hatramin’ny 3 500Fmg + Vary manitry 4 500Fmg ka hatramin’ny 5 000Fmg + Pakistan 2 750Fmg ka hatramin’ny 3 000Fmg.

Lôko ndraiky drakatra, aviho antody tsisy ato bazar be Hell ville nandritra ny fanadihadihana izay nataonay tamin’ny marandrainy teo.

Resaka toetrandra ndraiky mbola misy fotoana avy tampoko ary mare koa fa tsy madiny hela mahaleny ndraiky tsiko.

Ka mifandimby eo iro ndraiky masoandra ; efa magnano fiainany ndraiky velontena isan’andra ny olo eto Nosy be.

Efa miasa ny fitaterana andranomasiny izay mampitohy Nosy be ndraiky Ankifiny raha niantona nandritra ny telo andra na somary mbola mihetsiky aza ny ranomasiny.

(Source et Photos Bebel Betombo Nosy Be)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.