Trump Tower USA: Nirehitra ny tranon'i Filoha

  • lundi, 08 janvier 2018 19:26
  • Sary Net

Nidonaka afo be io maraina io teo amin'ny tafotranon'ny bildina ben'i Filoha amerikanina Donald Trump aty New York, izay sady trano fonenany no birao fiasany rehefa aty New York ihany koa.

Vetivety dia nifamonjen'ny mpamono afo 100 ilay trano avo misy rihana miisa 58.

Tratra ara-potoana ny famonoana ny afo, ka hita fa nisy fahavoazana tao amin'ny fanafanana ny tranobe.

Nisy mpamonjy voina iray naratra nandritra ny famonjena, ny tao anaty trano kosa, tsy nisy naninona, i Donald Trump rahateo tsy tao tamin'io fotoana io, ary ireo zanany roa lahy ihany koa tsy nisy naninona.

Ity Trump Tower ity moa dia fananan'i Filoha amerikanina manokana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.