Toamasina: Manadio ny tanàna

  • lundi, 08 janvier 2018 13:06
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Efa manomboka hita tsikelikely eny an-dalana nanomboka omaly ireo mpanadio ny tanàna. Ny rano efa nanomboka niverina tsikelikely koa nanomboka omaly alahady. Ny jiro efa hita misy mihanika ihany eny ambony poteau fa mbola tsy mandeha.

Efa misy fikambanana vitsivitsy ihany koa manampy ny Kaominina manala ny fako. Ny mpianatra misy vitsivitsy efa mianatra fa ny akamaroany mbola tsy mianatra araky ny fanapahan-kevitry ny DREN Toamasina.

Miteraka embouteillage tsy hay tantaraina ny fako eny amin'ny lalana. Mila miala adiny roa mialoha farafahakeliny raha handeha hizaha any amin'ny ville, tranga tsy fahita eto Toamasina.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.