Oniversiten'i Mahajanga: Tsy manaiky hiditra hianatra ny BDUM

  • lundi, 08 janvier 2018 11:51
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Androany alatsinainy 8 janoary 2018 no daty nofaritana hidiran'ny oniversiten'i Mahajanga sy hiverenan'ny fampianarana rehetra taorian'ny savorovoro efa volana vitsivitsy izay.

Nisy ny fananganan-tsaina niarahana tamin'ny filohan'ny oniversite sy ny mpampianatra ary ny mpianatra rehetra teny amin'ny campus Ambondrona. Tonga teny ihany koa ireo mpianatra avy amin'ny BDUM (Bureau des étudiants de l' Université de Mahajanga) niaraka tamin'ny entana toy ny kidoro sy ny vilany nitaky ny hampidirana azy ireo amin'ny trano (bloc) mialohan'ny hiverenan'ny fampianarana. Nilanja sora-baventy izy ireo ary nanakana fidirana ny campus Ambondrona.

Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nanala ny sakana nataon'ireo mpianatra ireo.
Ankilany, nilanja sora-baventy ihany koa ireo mijoro ho ray amandrenin'ny mpianatra izay manohana ny hetsika ataon'ireto farany.

Nangataka hihaona tamin'ny filohan'ny Oniversite ireto ray aman-dreny ireto saingy tsy tanteraka izany androany maraina.

Nipitrapitra ireo mpianatra te hianatra izay tonga vao maraina teny amin'ny campus manoloana ny korontan-dava voizin'ireo mpianatra sasany.

Ny banderole kosa dia mampibarivary fa ny fialan'ny filohan'ny Oniversité no vahaolana amin'izao savorovoro tsy mety milamina izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.