Mahajanga: Miova indray ny fitaovana ampiasain'ireo andian-jatovo mpisetrasetra

  • mardi, 02 janvier 2018 20:37
  • Sary Sobika Mahajanga

Toy izao amin'ny sary izao indray ny zava-maranitra ampiasain'ireo andian-jatovo mpisetrasetra aty Mahajanga. Toy ny fanao mahazatra ireto tanora ireto, izay tsy ampy taona ny ankamaroany dia mifanafika ny tanora amina Fokontany samihafa ary mifampitsapa hery sy mifandratra. Mampihorohoro ny manodidina izany satria manao andiany maro Izy ireo.

Ny harivarivan'ny taombaovao teo, tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany, teo Tsaramandroso Ambany, tanora maromaro no nifamono ary samy vaky lefa rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana.
Ity karazana vy maranitra ity no latsaka, izay hita fa nosorana asidra.

Niova ny fomba fanaon'izy ireo satria tsy mandrangaranga zava-maranitra toy ny teo aloha fa io no asisika amin'ny tanana. Maro ihany koa moa ireo mitaraina fa sady manao sinto-mahery izay sendra azy ireo tanora ireo.

Efa mandeha ny fikarohana ireo zatovo mpisetrasetra ireo izay tena miandahy miambavy mihitsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.